<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Endrey, ny hamaroan'ny soa
 Nomenao Ray ho ahy koa !
 Ny aiko, he, navotanao,
 Ny heloko vonoinao.
 Eny, Raiko,
 Eny fa ravo tokoa
 Ity zanakao voavonjy re
 Ka velombolo erý.

[V2]
 He, azoko tokoa Jeso,
 Ilay perla sao, madio sy vao ;
 Ny zava-tsoan'ny tany re
 Dia tsy ahoako tokoa.
 Eny, Raiko, ..sns.

[V3]
 Tsy haiko ny hilaza izao,
 Hamisavisa re, ry Ray ;
 Ny fanomezan-dehibe
 Dia tsy voatonoko tokoa
 Eny, Raiko, ..sns.

[V4]
 Ny foko no hidera izao,
 Hisaotra sy hanaja Anao
 Hanoa, ho vonona hanao
 Ny sitrakao rehetra.
 Eny, Raiko, ..sns.</lyrics>
<title>Endrey ny hamaroan' ny soa FFPM537</title>
<hymn_number>537</hymn_number>
</song>